1. Then David said, This is the house of the LORD God, and this is the altar of the burnt offering for Israel.
1. Et David dit: Ici sera la maison de l`Éternel Dieu, et ici sera l`autel des holocaustes pour Israël.
1. Dia hoy Davida: Eto no tranon' i Jehovah Andriamanitra, ary eto no alitara fandoroana ny fanatitra dorana ho an' ny Isiraely.

Preparations for the Temple

2. And David commanded to gather together the strangers that were in the land of Israel; and he set masons to hew wrought stones to build the house of God.
2. David fit rassembler les étrangers qui étaient dans le pays d`Israël, et il chargea des tailleurs de pierres de préparer des pierres de taille pour la construction de la maison de Dieu.
2. Ary nasain' i Davida novorina ny olona hafa firenena izay tany amin' ny tanin' ny Isiraely, ka nanendreny tambato hipaika vato hanaovana ny tranon' Andriamanitra.
3. And David prepared iron in abundance for the nails for the doors of the gates, and for the joinings; and brass in abundance without weight;
3. Il prépara aussi du fer en abondance pour les clous des battants des portes et pour les crampons, de l`airain en quantité telle qu`il n`était pas possible de le peser,
3. Ary Davida nanomana vy betsaka hatao fantsika ho an' ny lela-vavahady sy ny fikambanany ary varahina betsaka tsy hita lanja.
4. Also cedar trees in abundance: for the Zidonians and they of Tyre brought much cedar wood to David.
4. et des bois de cèdre sans nombre, car les Sidoniens et les Tyriens avaient amené à David des bois de cèdre en abondance.
4. "Ary koa hazo sedera be dia be; fa ny Sidoniana sy ny mponina tany Tyro nitondra hazo sedera betsaka ho any amin' i Davida."
5. And David said, Solomon my son is young and tender, and the house that is to be builded for the LORD must be exceeding magnifical, of fame and of glory throughout all countries: I will therefore now make preparation for it. So David prepared abundantly before his death.
5. "David disait: Mon fils Salomon est jeune et d`un âge faible, et la maison qui sera bâtie à l`Éternel s`élèvera à un haut degré de renommée et de gloire dans tous les pays; c`est pourquoi je veux faire pour lui des préparatifs. Et David fit beaucoup de préparatifs avant sa mort."
5. Fa hoy Davida: Solomona zanako dia mbola zaza sy tanora fanahy, ary ny trano hatao ho an' i Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, ka hiely any amin' ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko rahateo ny zavatra hoenti-manao azy. Ka dia nahavonona betsaka Davida, talohan' ny nahafatesany.
6. Then he called for Solomon his son, and charged him to build an house for the LORD God of Israel.
6. David appela Salomon, son fils, et lui ordonna de bâtir une maison à l`Éternel, le Dieu d`Israël.
6. Ary niantso an' i Solomona zanany izy ka nandidy azy hanao trano ho an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
7. And David said to Solomon, My son, as for me, it was in my mind to build an house unto the name of the LORD my God:
7. David dit à Salomon: Mon fils, j`avais l`intention de bâtir une maison au nom de l`Éternel, mon Dieu.
7. "Ary hoy Davida tamin' i Solomona: Anaka, efa mby tato am-poko ny hanao trano ho an' ny anaran' i Jehovah Andriamanitro;"
8. But the word of the LORD came to me, saying, Thou hast shed blood abundantly, and hast made great wars: thou shalt not build an house unto my name, because thou hast shed much blood upon the earth in my sight.
8. "Mais la parole de l`Éternel m`a été ainsi adressée: Tu as versé beaucoup de sang, et tu as fait de grandes guerres; tu ne bâtiras pas une maison à mon nom, car tu as versé devant moi beaucoup de sang sur la terre."
8. Nefa tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Be ny rà efa nalatsakao, ary ady lehibe no efa nataonao, koa tsy mahazo manao trano ho an' ny anarako ianao, satria be ny rà efa nalatsakao tamin' ny tany teo imasoko.
9. Behold, a son shall be born to thee, who shall be a man of rest; and I will give him rest from all his enemies round about: for his name shall be Solomon, and I will give peace and quietness unto Israel in his days.
9. "Voici, il te naîtra un fils, qui sera un homme de repos, et à qui je donnerai du repos en le délivrant de tous ses ennemis d`alentour; car Salomon sera son nom, et je ferai venir sur Israël la paix et la tranquillité pendant sa vie."
9. "Indro, hiteraka zazalahy ianao, izay ho lehilahy miadana; ary homeko fitsaharana izy amin' ny fahavalony rehetra manodidina azy; fa ny anarany dia hatao hoe Solomona; ary hampiadaniko sy hampandriako fahizay ny Isiraely amin' ny androny."
10. He shall build an house for my name; and he shall be my son, and I will be his father; and I will establish the throne of his kingdom over Israel for ever.
10. "Ce sera lui qui bâtira une maison à mon nom. Il sera pour moi un fils, et je serai pour lui un père; et j`affermirai pour toujours le trône de son royaume en Israël."
10. "Izy no hanao trano ho an' ny anarako ; ary izy ho zanako ary Izaho ho rainy, ary Izaho hampitoetra ny sezafiandrianan' ny fanjakany amin' ny Isiraely mandrakizay."
11. Now, my son, the LORD be with thee; and prosper thou, and build the house of the LORD thy God, as he hath said of thee.
11. Maintenant, mon fils, que l`Éternel soit avec toi, afin que tu prospères et que tu bâtisses la maison de l`Éternel, ton Dieu, comme il l`a déclaré à ton égard!
11. Koa ankehitriny, anaka, ho aminao anie Jehovah, ka hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon' i Jehovah Andriamanitrao araka izay nilazany anao.
12. Only the LORD give thee wisdom and understanding, and give thee charge concerning Israel, that thou mayest keep the law of the LORD thy God.
12. Veuille seulement l`Éternel t`accorder de la sagesse et de l`intelligence, et te faire régner sur Israël dans l`observation de la loi de l`Éternel, ton Dieu!
12. Ary homen' i Jehovah saina sy fahendrena anie ianao ka hatsangany ho mpanapaka ny Isiraely, mba hitandremanao ny lalàn' i Jehovah Andriamanitrao.
13. Then shalt thou prosper, if thou takest heed to fulfil the statutes and judgments which the LORD charged Moses with concerning Israel: be strong, and of good courage; dread not, nor be dismayed.
13. Alors tu prospéreras, si tu as soin de mettre en pratique les lois et les ordonnances que l`Éternel a prescrites à Moïse pour Israël. Fortifie-toi et prends courage, ne crains point et ne t`effraie point.
13. "Ary amin' izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy ho an' ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po."
14. Now, behold, in my trouble I have prepared for the house of the LORD an hundred thousand talents of gold, and a thousand thousand talents of silver; and of brass and iron without weight; for it is in abundance: timber also and stone have I prepared; and thou mayest add thereto.
14. "Voici, par mes efforts, j`ai préparé pour la maison de l`Éternel cent mille talents d`or, un million de talents d`argent, et une quantité d`airain et de fer qu`il n`est pas possible de peser, car il y en a en abondance; j`ai aussi préparé du bois et des pierres, et tu en ajouteras encore."
14. "Indro, ankehitriny tao amin' ny fahoriako no nahavoriako ho an' ny tranon' i Jehovah talenta volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa; ary varahina sy vy tsy hita lanja, fa be dia be izany; ary efa nahavonona hazo sy vato aho, ka dia ampionao kosa ireo."
15. Moreover there are workmen with thee in abundance, hewers and workers of stone and timber, and all manner of cunning men for every manner of work.
15. Tu as auprès de toi un grand nombre d`ouvriers, des tailleurs de pierres, et des charpentiers, et des hommes habiles dans toute espèce d`ouvrages.
15. Ary koa, efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpikapa hazo sy tambato sy mpandrafitra ary olona mahay ny asa samy hafa rehetra.
16. Of the gold, the silver, and the brass, and the iron, there is no number. Arise therefore, and be doing, and the LORD be with thee.
16. L`or, l`argent, l`airain et le fer, sont sans nombre. Lève-toi et agis, et que l`Éternel soit avec toi!
16. Ny volamena sy ny volafotsy ary ny varahina sy ny vy dia tsy hita isa. Koa mitsangàna ianao, ka manaova, ary homba anao anie Jehovah.
17. David also commanded all the princes of Israel to help Solomon his son, saying,
17. David ordonna à tous les chefs d`Israël de venir en aide à Salomon, son fils.
17. Ary Davida koa nandidy ny mpanapaka rehetra tamin' ny Isiraely hanampy an' i Solomona zanany hoe:
18. Is not the LORD your God with you? and hath he not given you rest on every side? for he hath given the inhabitants of the land into mine hand; and the land is subdued before the LORD, and before his people.
18. L`Éternel, votre Dieu, n`est-il pas avec vous, et ne vous a-t-il pas donné du repos de tous côtés? Car il a livré entre mes mains les habitants du pays, et le pays est assujetti devant l`Éternel et devant son peuple.
18. "Tsy momba anareo va Jehovah Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin' ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin' ny tany; ary ny tany efa resy teo anoloan' i Jehovah sy teo anoloan' ny olony."
19. Now set your heart and your soul to seek the LORD your God; arise therefore, and build ye the sanctuary of the LORD God, to bring the ark of the covenant of the LORD, and the holy vessels of God, into the house that is to be built to the name of the LORD.
19. "Appliquez maintenant votre coeur et votre âme à chercher l`Éternel, votre Dieu; levez-vous, et bâtissez le sanctuaire de l`Éternel Dieu, afin d`amener l`arche de l`alliance de l`Éternel et les ustensiles consacrés à Dieu dans la maison qui sera bâtie au nom de l`Éternel."
19. Koa ankehitriny ampitadiavo an' i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka mitsangàna, ary manaova ny fitoerana masina ho an' i Jehovah Andriamanitra, hampidirana ny fiaran' ny faneken' i Jehovah sy ny fanaka masin' Andriamanitra ho ao amin' ny trano izay hatao ho an' ny anaran' i Jehovah.
<
>